Isaiah 50:1 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Izao no lazain’NY TOMPO: Aiza izay taratasy fisaoram-bady nisaorako ny reninareo? Ary iza amin’izay manan-trosa Amiko no nivarotako anareo? Tsia, fa noho ny helokareo ihany no nivarotana anareo ary noho ny hadisoanareo ihany no nisaorana an-dreninareo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Izao no lazain’i Iaveh: Aiza izay taratasy fisaorana an-dreninao, nisaorako azy? Iza no manan-trosa amiko, nivarotako anareo? Tsia, noho ny tsy fahamarinanareo ihany, no nivarotana anareo; noho ny fahotanareo ihany, no nisaorana an-dreninareo.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Izao no fanontaniana ataon’ny TOMPO: «Aiza izay taratasy fisaoram-bady manaporofo fa noroahiko i Jerosalema reninareo? Sa iza no nivarotako anareo ho andevo mba ho fanefana ny trosako aminy? Indro ny helokareo ihany no nivarotana anareo ary ny fikomianareo ihany no nandroahana an-dreninareo.
Malagasy Bible 1865
Izao no lazain'i Jehovah: Aiza izay taratasy fisaoram-bady nisaorako an-dreninareo? Ary iza amin'izay manan-trosa amiko no nivarotako anareo? Tsia, fa noho ny helokareo ihany no nivarotana anareo, ary noho ny fahadisoanareo ihany no nisaorana an-dreninareo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Izao no lazain’NY TOMPO: Aiza izay taratasy fisaoram-bady nisaorako ny reninareo? Ary iza amin’izay manan-trosa Amiko no nivarotako anareo? Tsia, fa noho ny helokareo ihany no nivarotana anareo ary noho ny hadisoanareo ihany no nisaorana an-dreninareo.
malagasy
[Ny amin'ny nisaorana ny Isiraely, sy ny amin'ny Mpanompon'i Jehovah] Izao no lazain'i Jehovah: Aiza izay taratasy fisaoram-bady nisaorako an-dreninareo? Ary iza amin'izay manan-trosa amiko no nivarotako anareo? Tsia, fa noho ny helokareo ihany no nivarotana anareo, ary noho ny fahadisoanareo ihany no nisaorana an-dreninareo.