Isaiah 50:10 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Iza aminareo no matahotra NY TOMPO ka mihaino ny feon’ny Mpanompony? Na iza na iza mandeha amin’ny maizina ka tsy manana fahazavana dia aoka izy hatoky ny anaran’NY TOMPO sy hiankina amin’Andriamaniny!
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Iza aminareo no matahotra an’i Iaveh, sy mihaino ny feon’ny Mpanompony? Na iza na iza mandeha amin’ny maizina, sy tsy manana fahazavana, aoka izy hatoky ny Anaran’i Iaveh, sy hiankina amin’ny Andriamaniny!
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Iza aminareo no manaja ny TOMPO? Aoka izy hihaino ny feon’ny mpanompony! Raha misy mandeha amin’ny maizina tsy ahitam-pahazavana mihitsy, aoka izy hitoky sy hiankina amin’ny TOMPO Andriamaniny!
Malagasy Bible 1865
Iza aminareo no matahotra an'i Jehovah ka mihaino ny feon'ny Mpanompony? Na iza na iza mandeha amin'ny maizina ka tsy manana fahazavana, aoka izy hatoky ny anaran'i Jehovah sy hiankina amin'Andriamaniny.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Iza aminareo no matahotra NY TOMPO ka mihaino ny feon’ny Mpanompony? Na iza na iza mandeha amin’ny maizina ka tsy manana fahazavana dia aoka izy hatoky ny anaran’NY TOMPO sy hiankina amin’Andriamaniny!
malagasy
Iza aminareo no matahotra an'i Jehovah ka mihaino ny feon'ny Mpanompony? Na iza na iza mandeha amin'ny maizina ka tsy manana fahazavana, aoka izy hatoky ny anaran'i Jehovah sy hiankina amin'Andriamaniny. [Na: Na dia mandeha amin'ny maizina aza izy ka tsy misy famirapiratana]He! ianareo rehetra izay mampirehitra afo sy mifehy kilalaon'afo manodidina anareo, mandehana amin'ny lelafonareo sy amin'ny zana-tsipìka misy afo, izay narehitrareo. Izao no hanjo anareo avy amin'ny tanako: Handry amin'ny fahoriana ianareo.