Isaiah 50:11 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
E! Ianareo rehetra izay mampirehitra afo sy mifehy kilalaon’afo manodidina anareo, mandehana ao amin’ny fidedadedan’ny lelafonareo sy amin’ny zana-tsipìka misy afo izay narehitrareo! Izany no hanjo anareo avy amin’ny tanako; handry amin’ny fahoriana ianareo!
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa ianareo rehetra nampirehitra afo kosa, sy mandray zana-tsipìka mirehitra ho fiadiana, mandehana amin’ny lelafonareo, sy eo afovoan’ny zana-tsipìka narehitrareo! Izao no hanjò anareo avy amin’ny tanako; hampandrina amin’ny fahoriana ianareo!
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fa ny aminareo rehetra izay mandrehitra afo sy mirongo zana-tsipîka mandoro, dia izao: ny afo natsanganareo ihany sy ny zana-tsipîka narehitrareo no anjara omanin’ny TOMPO ho anareo. Ho faty amin’ny fahoriana mafy ianareo.
Malagasy Bible 1865
He! ianareo rehetra izay mampirehitra afo sy mifehy kilalaon'afo manodidina anareo, mandehana amin'ny lelafonareo sy amin'ny zana-tsipìka misy afo, izay narehitrareo. Izao no hanjo anareo avy amin'ny tanako: Handry amin'ny fahoriana ianareo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
E! Ianareo rehetra izay mampirehitra afo sy mifehy kilalaon’afo manodidina anareo, mandehana ao amin’ny fidedadedan’ny lelafonareo sy amin’ny zana-tsipìka misy afo izay narehitrareo! Izany no hanjo anareo avy amin’ny tanako; handry amin’ny fahoriana ianareo!
malagasy