Isaiah 50:2 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nahoana no tsy nisy olona fony tonga Aho? Nahoana no tsy nisy namaly fony niantso Aho? Moa fohy tokoa va ny tanako ka tsy mahavonjy? Moa tsy manan-kery hoenti-manafaka va Aho? Indro, amin’ny teny mafy ataoko no andritako ny ranomasina sy anovako ny ony ho tany efitra; maimbo ny hazandranony noho ny tsy fisian’ny rano, fa matin-ketaheta ireny.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Tonga Aho: nahoana no tsy nisy olona? Niantso Aho: nahoana no tsy nisy namaly? Moa fohy tanana va Aho, ka tsy afa-namonjy? Sa tsy ampy hery hoenti-manafaka? Vao rahonako fotsiny dia maina ny ranomasina, zary efitra ny ony, maimbo ny hazandranony, fa ritra ny rano, ka matin’ny hetaheta ireny.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nahoana, fony tonga Aho, no tsy nahita olona; nahoana, fony niantso Aho, no tsy nisy namaly? Ny tanako ve no fohy loatra ka tsy mahavonjy? Sa Izaho no tsy manan-kery hoenti-manafaka? Indro mandrahona fotsiny Aho, dia maina ny ranomasina na manjary taniefitra ny ony. Amin’izay, noho ny tsy fisian’ny rano, dia matin-ketaheta ny trondro ka maimbo.
Malagasy Bible 1865
Nahoana no tsy nisy olona, fony tonga Aho, ary tsy nisy namaly, fony niantso Aho? Moa fohy tokoa va ny tanako ka tsy mahavonjy, ary moa tsy manan-kery ho enti-manafaka va Aho? Indro, amin'ny teny mafy ataoko no andritako ny ranomasina sy anaovako ny ony ho efitra; ary maimbo ny hazandranony noho ny tsi-fisian'ny rano sady matin-ketaheta.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nahoana no tsy nisy olona fony tonga Aho? Nahoana no tsy nisy namaly fony niantso Aho? Moa fohy tokoa va ny tanako ka tsy mahavonjy? Moa tsy manan-kery hoenti-manafaka va Aho? Indro, amin’ny teny mafy ataoko no andritako ny ranomasina sy anovako ny ony ho tany efitra; maimbo ny hazandranony noho ny tsy fisian’ny rano, fa matin-ketaheta ireny.
malagasy