Isaiah 50:4 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
NY TOMPO Andriamanitra no nanome Ahy ny lelan’ny efa mahay, mba hahaizako milaza teny hampatanjaka izay reraka; fohaziny isa-maraina isa-maraina Aho; eny, fohaziny ny sofiko mba hihaino tahaka ny efa mahay.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nomen’i Iaveh Tompo, ny lelan’ny mpianatra aho, mba hahaizako mankahery ny reraka, amin’ny teniko. mamoha isa-maraina izy; mamoha ny sofiko izy, mba hihainoako, hoatra ny fihainon’ny mpianatra.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ny Tompo ANDRIANANAHARY no nampianatra ahy izay tokony holazaiko, mba hahaizako mamoaka teny hampahery ny reraka. Isa-maraina Izy dia manabe ahy hatrany hihaino araka izay tokony hataon’ny mpianatra.
Malagasy Bible 1865
Jehovah Tompo nanome Ahy ny lelan'ny efa mahay, mba hahaizako manao teny hampahatanjaka izay reraka; ampandrenesiny isa-maraina isa-maraina, eny, ampandrenesiny ny sofiko hihaino tahaka ny efa mahay
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
NY TOMPO Andriamanitra no nanome Ahy ny lelan’ny efa mahay, mba hahaizako milaza teny hampatanjaka izay reraka; fohaziny isa-maraina isa-maraina Aho; eny, fohaziny ny sofiko mba hihaino tahaka ny efa mahay.
malagasy
Jehovah Tompo nanome Ahy ny lelan'ny efa mahay, mba hahaizako manao teny hampahatanjaka izay reraka; ampandrenesiny isa-maraina isa-maraina, eny, ampandrenesiny ny sofiko hihaino tahaka ny efa mahay [Heb.efa nampianarina]