Isaiah 51:1 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Mihainoa Ahy ianareo izay miezaka mitady fahamarinana, dia izay mitady NY TOMPO! Tsarovy ny vatolampy izay nakana anareo sy ny aty lavaka izay nihadiana anareo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Mihainoa Ahy, ianareo izay manaraka ny marina, izay mitady an’i Iaveh. Diniho ny vatolampy nanendahana anareo; sy ny tany fihadiam-bato nangalana anareo.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
«Mihainoa Ahy ianareo mikatsa-panafahana, dia ianareo mitady Ahy, hoy ny TOMPO: Jereo ny vatolampy izay nangalana anareo sy ny ati-lavaka nisintonana anareo:
Malagasy Bible 1865
Mihanoa Ahy, ianareo izay miezaka mitady fahamarinana, dia izay mitady an'i Jehovah: Tsarovy ny vatolampy izay nakana anareo sy ny ati-lavaka izay nihadiana anareo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Mihainoa Ahy ianareo izay miezaka mitady fahamarinana, dia izay mitady NY TOMPO! Tsarovy ny vatolampy izay nakana anareo sy ny aty lavaka izay nihadiana anareo.
malagasy
[Ny fiposahan'ny famonjena, sy ny fanesorana ny kapoaky ny fahatezeran'i Jehovah] Mihanoa Ahy, ianareo izay miezaka mitady fahamarinana, dia izay mitady an'i Jehovah: Tsarovy ny vatolampy izay nakana anareo sy ny ati-lavaka izay nihadiana anareo. [Heb. Jereo]