Isaiah 51:11 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Eny, hiverina ny navotan’NY TOMPO ka hankany Ziona amin’ny fihobiana, fifaliana mandrakizay no ho eny an-dohany; hahazo fifaliana sy faharavoravoana izy ka handositra ny alahelo sy ny fisentoana.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Koa hiverina ny navotan’i Iaveh; dia hiditra ao Siôna amin’ny hobim-pifaliana; firavoravoana mandrakizay no ho fehilohany; ho henika azy ny fifaliana amam-piravoravoana; Lasa nandositra ny sento amam-pahoriana.-
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Eny, hiverina ireo nafahan’ny TOMPO ka hiditra ao Tsiôna amin’ny hobim-pandresena; ary hafaliana mandrakizay no ho hita taratra eny an-dohany, fientanana sy firavoravoana no hanenika azy fa handositra ny alahelo sy ny fisentoana!
Malagasy Bible 1865
Eny, ny navotan'i Jehovah hiverina ka hankany Ziona amin'ny fihobiana, ary ny fifaliana mandrakizay no ho eny an-dohany; hahazo fifaliana mandrakizay no ho eny an-dohany; hahazo fifaliana faharavoravoana izy, ka dia handositra ny alahelo sy ny fisentoana.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Eny, hiverina ny navotan’NY TOMPO ka hankany Ziona* amin’ny fihobiana, fifaliana mandrakizay no ho eny an-dohany; hahazo fifaliana sy faharavoravoana izy ka handositra ny alahelo sy ny fisentoana.
malagasy