Isaiah 51:13 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Hadinonao angaha NY TOMPO, mpanao anao, izay namelatra ny lanitra sy nanorina ny tany! Matahotra lalandava ianao mandritra ny andro noho ny fahatezeran’ny mpampahory rehefa mikendry hamono izy. Fa aiza intsony izay fahatezeran’ny mpampahory?
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
ka dia manadino an’i Iaveh, Mpahary anao, izay namelatra ny lanitra sy nanorina ny tany; mangovitra tsy an-kijanona, tontolo andro, eo anatrehan’ny fisafoakan’ny mpifehy masiaka rehefa mioman-kandrava anao Izy. Ary aiza izao, izay fisafoaky ny mpanapaka masiaka?
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Hadinonao Izaho TOMPO, Ilay nahary anao, Ilay namelatra ny lanitra sy nanorina ny tany. Fa tsy mitsaha-mangovitra isan’andro ianao eo anoloan’ny fahatezeran’ny mpampahory, izay toy ny efa mikendry hanimba anao. Kanefa aiza izao ny fahatezerany?
Malagasy Bible 1865
ka manadino an'i Jehovah, Mpanao anao, izay namelatra ny lanitra sy nanorina ny tany, sady matahotra lalandava mandritra ny andro ianao noho ny fahatezeran'ny mpampahory, raha mikendry hamono izy? Fa aiza intsony izay fahatezeran'ny mpampahory?
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Hadinonao angaha NY TOMPO, mpanao anao, izay namelatra ny lanitra sy nanorina ny tany! Matahotra lalandava ianao mandritra ny andro noho ny fahatezeran’ny mpampahory rehefa mikendry hamono izy. Fa aiza intsony izay fahatezeran’ny mpampahory?
malagasy