Isaiah 51:16 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nataoko eo am-bavanao ny teniko, ary ao amin’ny aloky ny tanako no nanaronako anao, Hamelatra ny lanitra sy hanorina ny tany Aho, ary hiteny amin’i Ziona hoe: Oloko ianao!
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nataoko tao am-bavanao ny teniko, ary noalofako tamin’ny aloky ny tanako ianao, mba hamboly lanitra sy hanorina tany, ary hilaza amin’i Siôna hoe: «Vahoakako ianao!»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Hamelatra ny lanitra indray Aho sady hanorina indray ny tany, ka hilaza amin’i Tsiôna hoe: «Vahoakako ianao. Ataoko eo am-bavanao ny teniko; ary arovako eo ambany aloky ny tanako ianao.»
Malagasy Bible 1865
Ary nataoko eo am-bavanao ny teniko, ary ao amin'ny aloky ny tanako no nanaronako anao, hanao ny lanitra sy hanorina ny tany Aho ary hanao an'i Ziona hoe: Oloko ianao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nataoko eo am-bavanao ny teniko, ary ao amin’ny aloky ny tanako no nanaronako anao, Hamelatra ny lanitra sy hanorina ny tany Aho, ary hiteny amin’i Ziona* hoe: Oloko ianao!
malagasy
Ary nataoko eo am-bavanao ny teniko, ary ao amin'ny aloky ny tanako no nanaronako anao, hanao ny lanitra sy hanorina ny tany Aho ary hanao an'i Ziona hoe: Oloko ianao. [Heb. Hamboly]