Isaiah 51:17 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Mifohaza, mifohaza ianao! Mitsangàna, ry Jerosalema ô, ianao izay efa nisotro ny kapoaky ny fahatezerana avy tamin’ny tanan’NY TOMPO; eny, efa nisotro tamin’ny kapoaka mampiraikiraiky ianao ka notrohinao mbamin’ny faikany!
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Mifohaza, mifohaza, miarena ianao, ry Jerosalema, izay efa nisotro ny kapoakan’ny hatezerana, avy amin’ny tanan’i Iaveh; izay efa nisotro sy nandany ny kapoaka mahajenjina!
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Mifohaza ianao, ry Jerosalema, mifohaza ka mitsangàna! Nampisotroin’ny TOMPO anao ny tsatokaty feno ny fahatezerany, dia tsatokaty misy fisotro mahafanina izay notrohinao hatramin’ny faikany.
Malagasy Bible 1865
Mifohaza, mifohaza, mitsangana, ry Jerosalema ô, izay efa nisotro ny kapoaky ny fahatezerana avy tamin'ny tànan'i Jehovah; eny, ny kapoaka gobilia mampiraikiraiky dia efa nisotroanao, ka notrohinao mbamin'ny faikany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Mifohaza, mifohaza ianao! Mitsangàna, ry Jerosalema ô, ianao izay efa nisotro ny kapoaky ny fahatezerana avy tamin’ny tanan’NY TOMPO; eny, efa nisotro tamin’ny kapoaka mampiraikiraiky ianao ka notrohinao mbamin’ny faikany!
malagasy