Isaiah 51:20 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Reraka ny zanakao lahy ka midabodaboka eny an-joron-dalambe rehetra eny, tahaka ny diera ao anatin’ny fandrika harato; eny, tahaka ny olona rakotry ny fahatezeran’NY TOMPO sy ny teny mafy ataon’Andriamanitrao.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ny zanakao lahy efa reraka ka miapokapoka eny an-joron-dalana rehetra eny, mova tsy ny antilôpa voan’ny fandrika harato, jenjin’ny hatezeran’i Iaveh sy ny fandrahonan’ny Andriamanitrao.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Eny an-joron-dalambe rehetra eny no mitorevaka sy miampatrampatra ny zanakao tahaka ny diera voafandrika harato; fa rakotry ny fahatezeran’ny TOMPO ireo sady iharan’ny fandrahonan’ilay Andriamanitrao.
Malagasy Bible 1865
Ny zanakao-lahy efa reraka, ka miapokapoka eny an-joron-dalambe rehetra eny izy, tahaka ny diera ao anatin'ny fandrika harato eny, tahaka ny olona rakotry ny fahatezeran'i Jehovah sy ny teny mafy ataon'Andriamanitrao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Reraka ny zanakao lahy ka midabodaboka eny an-joron-dalambe rehetra eny, tahaka ny diera ao anatin’ny fandrika harato; eny, tahaka ny olona rakotry ny fahatezeran’NY TOMPO sy ny teny mafy ataon’Andriamanitrao.
malagasy