Isaiah 51:22 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Izao no lazain’NY TOMPO, ny Tomponao? dia Andriamanitrao izay mandaha-teny hiaro ny olony: Indro, esoriko eny an-tananao ny kapoaka mampiraikiraiky, dia ny kapoaky ny fahatezerako; tsy hisotroanao intsony iny!
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Izao no lazain’i Iaveh Tomponao sy Andriamanitrao izay miaro ny vahoakany: Indro efa noesoriko teny an-tananao, ny kapoaka mahajenjina, ny kapoakan’ny fahatezerako; tsy hisotro izany intsony ianao, izao sisa izao.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ny Tomponao, ilay TOMPO sady Andriamanitrao, dia mandaha-teny hiaro ny vahoakany ka milaza aminao hoe: «Indro hoesoriko eny an-tananao ilay tsatokaty misy fisotro mahafanina, dia tsatokaty feno ny fahatezerako, ka tsy hisotroanao izany intsony.
Malagasy Bible 1865
Izao no lazain'i Jehovah Tomponao, dia Andriamanitrao, Izay mandaha-teny ho an'ny olony: Indro, esoriko eny an-tananao ny kapoaka mampiraikiraiky, dia ny kapoaka gobilian'ny fahatezerako; Tsy hisotroanao intsony iny,
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Izao no lazain’NY TOMPO, ny Tomponao? dia Andriamanitrao izay mandaha-teny hiaro ny olony: Indro, esoriko eny an-tananao ny kapoaka mampiraikiraiky, dia ny kapoaky ny fahatezerako; tsy hisotroanao intsony iny!
malagasy
Izao no lazain'i Jehovah Tomponao, dia Andriamanitrao, Izay mandaha-teny ho an'ny olony: Indro, esoriko eny an-tananao ny kapoaka mampiraikiraiky, dia ny kapoaka gobilian'ny fahatezerako; Tsy hisotroanao intsony iny,Fa hataoko eo an-tànan'izay mampahory anao kosa, dia izay efa nilaza taminao hoe: Miankohofa mba hohitsahinay, ka dia nataonao ho tahaka ny tany ny tenanao sy ho tahaka ny lalambe ho an'izay mandeha eo.