Isaiah 51:23 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Hataoko eo an-tanan’izay mampahory anao kosa izany, dia ireo izay nilaza taminao hoe: Miankohofa mba hohitsahinay! Dia nataonao tahaka ny tany ny lamosinao; eny, tahaka ny lalambe ho an’izay mandeha eo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Hataoko eo an-tanan’ny mpanenjika anao izany, dia amin-dry zareo nanao taminao hoe: «Miondreha handehananay!» Dia ny lamosinao no nataony toy ny tany, sy toy ny lalam-be ho an’ny mpandeha!
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Io tsatokaty io dia hatolotro eo an-tanan’ny nampahory anao, dia ireo olona nilaza taminao hoe: ‹Miankohofa amin’ny tany mba hohitsahinay›; ka voatery ianao nanolotra ny lamosinao ho tahaka ny tany eny an-dalambe natao hohitsahin’ireo mpandalo.»
Malagasy Bible 1865
Fa hataoko eo an-tànan'izay mampahory anao kosa, dia izay efa nilaza taminao hoe: Miankohofa mba hohitsahinay, ka dia nataonao ho tahaka ny tany ny tenanao sy ho tahaka ny lalambe ho an'izay mandeha eo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Hataoko eo an-tanan’izay mampahory anao kosa izany, dia ireo izay nilaza taminao hoe: Miankohofa mba hohitsahinay! Dia nataonao tahaka ny tany ny lamosinao; eny, tahaka ny lalambe ho an’izay mandeha eo.
malagasy