Isaiah 51:3 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa NY TOMPO mampionona an’i Ziona; eny, mampionona izay rava rehetra ao Izy ka manao ny tany efitra ao ho tahaka an’i Edena, ary ny tany foana ao ho tahaka ny sahan’NY TOMPO. Hafaliana sy haravoana no hita ao, mbamin’ny fisaorana sy ny feo fiderana.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Satria efa nampionona an’i Siôna i Iaveh, ka nampiononiny ny rava rehetra teo; novany ho tahaka an’i Edena ny efitra teo; ary ho zaridainan’i Iaveh ny tany foana tao. Fifaliana amam-piravoravoana no ho hita ao, mbamin’ny hira fisaorana amam-peo mozika.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Eny, ny TOMPO tokoa no nampahery an’i Tsiôna, nampahery azy teo anivon’ny faharavàny rehetra. Ka izany toerana karankaina izany dia novan’ny TOMPO ho paradisa; ary izany tany ngazana izany dia novany ho zaridaina mahavariana. Fientanentanana sy firavoravoana no ho hita ao ary koa hira fiderana sy feon-java-maneno.
Malagasy Bible 1865
Fa Jehovah mampionona an'i Ziona; Eny, mampionona izay rava rehetra ao Izy Ka manao ny efitra ao ho tahaka an'i Edena. Ary ny tany foana ao ho tahaka ny sahan'i Jehovah; Hafaliana sy haravoana no hita ao mbamin'ny fisaorana sy ny feo fiderana.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa NY TOMPO mampionona an’i Ziona*; eny, mampionona izay rava rehetra ao Izy ka manao ny tany efitra ao ho tahaka an’i Edena, ary ny tany foana ao ho tahaka ny sahan’NY TOMPO. Hafaliana sy haravoana no hita ao, mbamin’ny fisaorana sy ny feo fiderana.
malagasy
Fa Jehovah mampionona an'i Ziona; Eny, mampionona izay rava rehetra ao Izy Ka manao ny efitra ao ho tahaka an'i Edena. Ary ny tany foana ao ho tahaka ny sahan'i Jehovah; Hafaliana sy haravoana no hita ao mbamin'ny fisaorana sy ny feo fiderana.