Isaiah 51:6 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Andrandrao ho amin’ny lanitra ny masonareo ary jereo ny tany ambany. Fa ho levona tahaka ny setroka ny lanitra ary ho tahaka ny lamba mangarahara ny tany; ho faty tahaka ny fahafatesan’ny moka ny mponina ao, fa ny famonjeko kosa dia haharitra mandrakizay ary ny fahamarinako dia tsy mba ho rava.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Andrandrao ho amin’ny lanitra ny masonareo, dia ampidino ho amin’ny tany ny fijerinareo; fa ny lanitra ho levona tahaka ny setroka; ary ny tany hanjary vorotra, hoatra ny fitafiana; ny mponina eo aminy ho levona torak’izany koa; fa ny famonjeko kosa haharitra mandrakizay; ary ny fahamarinako tsy mba ho levona.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Atopazo eny an-danitra ny masonareo, dia jereo koa ny tany etỳ ambany: ny lanitra ho levona toy ny setroka ary ny tany ho rotidrotika toy ny lamba, ka ho faty toy ny lalitra ny mponina eo aminy; fa ny famonjeko kosa haharitra mandrakizay ary ny fanafahako tsy mba ho rava.
Malagasy Bible 1865
Andrandrao ho amin'ny lanitra ny masonareo, ary jereo ny tany ambany; fa ny lanitra ho levona tahaka ny setroka, ary tany ho tahaky ny lamba mangarahara, ary ny mponina ao dia ho faty tampoka; fa ny famonjena kosa haharitra mandrakizay, ary ny fahamarinako tsy mba ho rava.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Andrandrao ho amin’ny lanitra ny masonareo ary jereo ny tany ambany. Fa ho levona tahaka ny setroka ny lanitra ary ho tahaka ny lamba mangarahara ny tany; ho faty tahaka ny fahafatesan’ny moka ny mponina ao, fa ny famonjeko kosa dia haharitra mandrakizay ary ny fahamarinako dia tsy mba ho rava.
malagasy
Andrandrao ho amin'ny lanitra ny masonareo, ary jereo ny tany ambany; fa ny lanitra ho levona tahaka ny setroka, ary tany ho tahaky ny lamba mangarahara, ary ny mponina ao dia ho faty tampoka; fa ny famonjena kosa haharitra mandrakizay, ary ny fahamarinako tsy mba ho rava.[Na: tahaka ny fahafatin'ny moka]