Isaiah 51:9 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Mifohaza, mifohaza! Ry sandrin’NY TOMPO, ka mitafia hery! Mifohaza tahaka ny tamin’ny andro fahiny, dia tamin’ny taranaka taloha ela! Tsy Ianao va Ilay nitetitetika an’i Rahaba sy nitomboka ny dragona?
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Mifohaza, mifohaza ianao, mitafia hery, ry zandrin’i Iaveh! Mifohaza toy ny tamin’ny andro taloha, tahaka ny tamin’ny taona fahiny. Tsy Ianao va no nitetika an-dRahaba ho potipotika, sy nitomboka ilay dragona ho gorobaka?
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Mifohaza ianao, TOMPO ô, mifohaza ka tafio indray ny herinao; mifohaza tahaka ny tamin’ny andro taloha, dia tamin’ny taranaka fahiny ela be. Moa tsy ianao no namotipotika an-dRahaba, sy nanagorobaka ilay dragona?
Malagasy Bible 1865
Mifohaza, mifohaza, ry sandrin'i Jehovah, mitafia hery! Mifohaza tahaka ny tamin'ny andro fahiny! dia tamin'ny taranaka lasa ela. Tsy Hianao va Ilay nitetitetika an-dRahaba sy nitomboka ny dragona?
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Mifohaza, mifohaza! Ry sandrin’NY TOMPO, ka mitafia hery! Mifohaza tahaka ny tamin’ny andro fahiny, dia tamin’ny taranaka taloha ela! Tsy Ianao va Ilay nitetitetika an’i Rahaba sy nitomboka ny dragona*?
malagasy
Mifohaza, mifohaza, ry sandrin'i Jehovah, mitafia hery! Mifohaza tahaka ny tamin'ny andro fahiny! dia tamin'ny taranaka lasa ela. Tsy Hianao va Ilay nitetitetika an-dRahaba sy nitomboka ny dragona? [Na: mamba; izahao Ezek. xxix. 3]