Isaiah 52:1 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Mifohaza, mifohaza ianao! Tafio ny herinao, ry Ziona ô! Tafio ny fitafianao tsara tarehy, ry Jerosalema tanàna masina ô! Fa tsy hiditra ao aminao intsony ny tsy voafora sy ny maloto.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Mifohaza, mifohaza, tafio ny herinao, ry Siôna! Tafio ny fitafiana fitondranao amin’ny fety, ry Jerosalema tanàna masina ô! Fa ny tsy mifora sy ny maloto tsy hiditra eo aminao intsony.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Mifohaza ianao, ry Tsiôna ô, mifohaza ka tafio indray ny herinao; tafio indray ny fitafianao tsara tarehy, ry Jerosalema tanàna masina! Satria tsy hiditra ao aminao intsony ny tsy mifora sy ny olona maloto ara-pivavahana.
Malagasy Bible 1865
Mifohaza, mifohaza, tafio ny herinao, ry Ziona ô; tafio ny fitafianao tsara tarehy, ry Jerosalema ô, tanàna masina; fa tsy hiditra any aminao intsony ny tsy voafora sy ny maloto.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Mifohaza, mifohaza ianao! Tafio ny herinao, ry Ziona* ô! Tafio ny fitafianao tsara tarehy, ry Jerosalema tanàna masina ô! Fa tsy hiditra ao aminao intsony ny tsy voafora sy ny maloto.
malagasy
[Ny hanafahana an'i Jerosalema amin'ny fahandevozana sy ny fatorana] Mifohaza, mifohaza, tafio ny herinao, ry Ziona ô; tafio ny fitafianao tsara tarehy, ry Jerosalema ô, tanàna masina; fa tsy hiditra any aminao intsony ny tsy voafora sy ny maloto.