Isaiah 52:12 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa tsy tampoka no hivoahanareo, ary tsy amin’ny fandosirana no handehananareo; fa NY TOMPO no hitarika anareo eo aloha, ary Andriamanitry ny Israely no ho vodilalanareo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa tsy hikoropaka no hivoahanareo, ary tsy handositra no ho fandehanareo; fa i Iaveh no mandeha eo alohanareo, ary ny Andriamanitr’i Israely no ho vodilalanareo!»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Satria tsy hikoropaka ianareo raha miainga hivoaka ny tanàna, ary tsy hihorohoro raha miala teto; fa ny TOMPO no hialoha lalana anareo ary ny Andriamanitr’i Israely no ho vodilalanareo.
Malagasy Bible 1865
Fa tsy tampoka no hivoahanareo, ary tsy lositra no handehananareo; fa Jehovah no hitarika anareo eo aloha, ary Andriamanitry ny Isiraely no ho vodi-lalanareo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa tsy tampoka no hivoahanareo, ary tsy amin’ny fandosirana no handehananareo; fa NY TOMPO no hitarika anareo eo aloha, ary Andriamanitry ny Israely no ho vodilalanareo.
malagasy
Fa tsy tampoka no hivoahanareo, ary tsy lositra no handehananareo; fa Jehovah no hitarika anareo eo aloha, ary Andriamanitry ny Isiraely no ho vodi-lalanareo.