Isaiah 52:13 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Indro, hambinina ny Mpanompoko; hisandratra sy ho ambony Izy ka ho avo indrindra.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Indro fa hambinina ny Mpanompoko, hitombo, hankalazaina, ary ho tafasandratra indrindra.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Indro fa hahomby ny Mpanompoko; hisandratra ho avo izy ka hapetraka eo amin’ny toeram-boninahitra ambony indrindra.
Malagasy Bible 1865
Indro, ny Mpanompoko ho hita ho hendry, hisandratra sy ho ambony Izy ka ho avo indrindra.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Indro, hambinina ny Mpanompoko; hisandratra sy ho ambony Izy ka ho avo indrindra.
malagasy
[Ny amin'ny Mpanompon'i Jehovah, dia ny zava-mahagaga nataony, sy ny nandavan'ny maro Azy, sy ny fahoriana nentiny, sy ny avotra vitany, ary ny voninahitra homena Azy] Indro, ny Mpanompoko ho hita ho hendry, hisandratra sy ho ambony Izy ka ho avo indrindra. [Heb. hambinina]