Isaiah 52:14 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa toy ny nigagan’ny maro Anao, simba ny tarehiny ka ohatra ny tsy tarehin’olombelona akory, ary ny endriny dia ohatra ny tsy endriky ny zanak’olombelona.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Toy ny nigagan’ny maro nahita azy, - fa rava endrika loatra izy, ka ny tarehiny efa hoatra ny tsy tarehin’olombelona intsony; ary ny tavany efa hoatra ny tsy tavan-janak’olombelona intsony, -
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Maro be ny olona no tsiravina raha nijery azy satria niova loatra ny endriny ka tsy toy ny endrik’olona akory; ary ny tarehiny tsy toy ny tarehin’olombelona intsony.
Malagasy Bible 1865
Fa toy ny nigagan'ny maro Anao (Ny tarehiny dia simba ka hoatra ny tsy tarehin'olombelona akory, ary ny endriny hoatra ny tsy endriky ny zanak'olombelona),
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa toy ny nigagan’ny maro Anao, simba ny tarehiny ka ohatra ny tsy tarehin’olombelona akory, ary ny endriny dia ohatra ny tsy endriky ny zanak’olombelona.
malagasy
Fa toy ny nigagan'ny maro Anao (Ny tarehiny dia simba ka hoatra ny tsy tarehin'olombelona akory, ary ny endriny hoatra ny tsy endriky ny zanak'olombelona),Dia toy izany no hampihendratrendratany ny firenena maro; ny mpanjaka hitampim-bava aminy; fa izay tsy mbola nolazaina tamin'ireny no ho hitany, ary izay tsy mbola reny akory no hosaintsaininy. [Heb. hanafànany]