Isaiah 52:15 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Toy izany no hampitalanjonany ny firenena maro. Hitampim-bava Aminy ny mpanjaka, satria izay tsy mbola nolazaina tamin’ireny no ho hitany ary izay tsy mbola reny akory no hosaintsaininy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
no hampiontanany firenena maro. Hitampim-bava eo anatrehany ny mpanjaka, satria hahita ny tsy mbola nolazaina taminy, sy handre ny tsy mbola reny.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Firenen-kafa maro kosa no ho talanjona ny aminy; ka hitampim-bava eo anatrehany aza ireo mpanjaka, satria izay tsy mbola notantaraina taminy no hitany ary izay tsy mbola reny akory no saintsaininy.
Malagasy Bible 1865
Dia toy izany no hampihendratrendratany ny firenena maro; ny mpanjaka hitampim-bava aminy; fa izay tsy mbola nolazaina tamin'ireny no ho hitany, ary izay tsy mbola reny akory no hosaintsaininy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Toy izany no hampitalanjonany ny firenena maro. Hitampim-bava Aminy ny mpanjaka, satria izay tsy mbola nolazaina tamin’ireny no ho hitany ary izay tsy mbola reny akory no hosaintsaininy.
malagasy
Dia toy izany no hampihendratrendratany ny firenena maro; ny mpanjaka hitampim-bava aminy; fa izay tsy mbola nolazaina tamin'ireny no ho hitany, ary izay tsy mbola reny akory no hosaintsaininy. [Heb. hanafànany]