Isaiah 52:2 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ahintsano hiala amin’ny tenanao ny vovoka, ka miarena ary mipetraha, ry Jerosalema ô! Vahao ny fatorana amin’ny tendanao, ry Ziona, zanakavavy babo!
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ahintsano ny vovoka eny aminao; mitsangàna ianao; mipetraha ianao, ry Jerosalema; vahao ny fatorana amin’ny vozonao, ry voababo, zanaka vavin’i Siôna.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ahintsano ny vovoka nandrakotra anao, ka mitsangàna; dia aoka ho amin’ny sezafiandriananao indray no hipetrahanao, ry Jerosalema ô! Ny fatorana mangeja ny tendanao dia aoka hovahanao, ry Tsiôna babo!
Malagasy Bible 1865
Ahintsano ny vovoka hiala amin'ny tenanao, ka mitsangàna, ary mipetraha, ry Jerosalema ô; vahao ny fatorana amin'ny tendanao, ry Ziona, zanakavavy babo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ahintsano hiala amin’ny tenanao ny vovoka, ka miarena ary mipetraha, ry Jerosalema ô! Vahao ny fatorana amin’ny tendanao, ry Ziona, zanakavavy babo!
malagasy
Ahintsano ny vovoka hiala amin'ny tenanao, ka mitsangàna, ary mipetraha, ry Jerosalema ô; vahao ny fatorana amin'ny tendanao, ry Ziona, zanakavavy babo.