Isaiah 52:5 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary ankehitriny, inona no hataoko hoy NY TOMPO, fa nobaboina tsy amin’antony ny oloko? Manakora ny mpanapaka eo aminy, hoy NY TOMPO; ary mandrakariva, mandritra ny andro dia hamavoina ny anarako.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Koa ankehitriny, inona no hataoko eto? - teny marin’i Iaveh - fa nobaboina tsy an-drariny ny vahoakako? Ny mpifehy azy masiaka, manerona; - teny marin’i Iaveh,- ary ny anarako, tevatevaina tsy an-kijanona, isan’andro.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary amin’izao toe-javatra ankehitriny eto izao, inona no tombony azoko?» Ka hoy ny teny hentitry ny TOMPO hoe: «Natao babo maimaimpoana ny vahoakako. Mirehaka manakora ny mpanjakazaka mampahory azy; ary hamavoina isan’andro ny anarako.
Malagasy Bible 1865
Ary ankehitriny inona no hataoko eto? hoy Jehovah, fa nobaboina tsy ahoan-tsy ahoana ny oloko; ny mpanapaka azy dia manakora, hoy Jehovah; ary mandrakariva dia hamavoina mandritra ny andro ny anarako.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary ankehitriny, inona no hataoko hoy NY TOMPO, fa nobaboina tsy amin’antony ny oloko? Manakora ny mpanapaka eo aminy, hoy NY TOMPO; ary mandrakariva, mandritra ny andro dia hamavoina ny anarako.
malagasy