Isaiah 52:7 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Akory ny hatsaran’ny fandehan’irỳ mitondra teny soa mahafaly erỳ an-tendrombohitra sady mitory fiadanana, dia izay mitondra teny soa mahafaly sady mitory famonjena; eny, izay miteny amin’i Ziona hoe: Mpanjaka Andriamanitrao!
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Endrey izany hatsaran’ny tongotr’ilay iraka eny an-tendrombohitra, izay mitory ny vaovao mahafaly, dia ny fiadanana; ilay manambara ny fahasambarana, ilay mitory ny famonjena; ilay milaza amin’i Siôna hoe: «Manjaka ny Andriamanitrao!»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Endrey tsara tokoa erỳ an-tendrombohitra ny famindran’ilay mpitondra hafatra, izay manambara fiadanana sy mampita hafatra mahasambatra ary manambara famonjena ka manao amin’i Tsiôna hoe: «Mpanjaka ny Andriamanitrao.»
Malagasy Bible 1865
Akory ny hatsaran'ny tongotr'iry mitondra teny soa mahafaly erỳ an-tendrombohitra sady mitory fiadanana! Dia izay mitondra teny soa mahafaly sady mitory famonjena, eny, izay manao amin'i Ziona hoe: Mpanjaka Andriamanitrao!
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Akory ny hatsaran’ny fandehan’irỳ mitondra teny soa mahafaly erỳ an-tendrombohitra sady mitory fiadanana, dia izay mitondra teny soa mahafaly sady mitory famonjena; eny, izay miteny amin’i Ziona hoe: Mpanjaka Andriamanitrao!
malagasy