Isaiah 53:10 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nefa sitraky NY TOMPO ny hanorotoro sy hampangirifiry Azy; rehefa manolotra ny tenany ho fanati-panonerana Izy dia hahita taranaka sady ho maro andro, ary hotanterahina eo an-tanany ny sitrapon’NY TOMPO.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Sitrak’i Iaveh ny nanorotoro Azy tamin’ny fijaliana, nefa rehefa voaatitry ny fanahiny ny sorom-panonerana, dia hahita taranaka Izy, ho lava andro hiainana, ary hambinina eo an-tanany ny hevitra nokasain’i Iaveh.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fa sitraky ny TOMPO ny hahatorotoro ilay mpanompony ka izany no nampiaretany azy fangirifiriana. Fa rehefa nanolo-tena ho sorom-panorenana izy, dia hahita taranaka sy ho ela velona; ary amin’ny alalan’io mpanompony io rahateo no hahatanteraka ny sitrapon’ny TOMPO.
Malagasy Bible 1865
Nefa sitrak'i Jehovah ny hanorotoro sy hampangirifiry Azy; Rehefa manolotra fanati-panonerana Izy, dia hahita taranaka sady ho maro andro, ary ny sitrapon'i Jehovah dia hambinina eo an-tànany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nefa sitraky NY TOMPO ny hanorotoro sy hampangirifiry Azy; rehefa manolotra ny tenany ho fanati-panonerana Izy dia hahita taranaka sady ho maro andro, ary hotanterahina eo an-tanany ny sitrapon’NY TOMPO.
malagasy
Nefa sitrak'i Jehovah ny hanorotoro sy hampangirifiry Azy; Rehefa manolotra fanati-panonerana Izy, dia hahita taranaka sady ho maro andro, ary ny sitrapon'i Jehovah dia hambinina eo an-tànany. [Na: Rehefa ataonao fanati-panonerana ny ainy, dia hahita taranaka Izy]