Isaiah 53:11 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Noho ny fisasaran’ny fanahiny dia hahita mazava Izy ka ho afa-po. Ny fahalalana Azy no hanamarinan’ny Mpanompoko marina ny olona maro, ary Izy no hivesatra ny helok’ireo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Noho ny fijalian’ny fanahiny, dia hahita Izy, ka ho afa-po. Ilay marina, mpanompoko, noho ny fijaliany, hanamarina olona betsaka, ary ny Tenany hivesatra ny helok’ireo.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
«Niaritra fahoriana mafy ny Mpanompoko, hoy ny TOMPO, ka dia hahita ny taranaka sy ho lava andro iainana. Ho fantatry ny olona fa marina io Mpanompoko io; ka dia Izy no hahatonga ny besinimaro ho marina, satria ny tenany no mivesatra ny helok’ireo.
Malagasy Bible 1865
Noho ny fisasaran'ny fanahiny dia hahita izany Izy ka ho afa-po; Ny fahalalana Azy no hanamarinan'ny Mpanompoko marina ny olona maro, ary Izy no hivesatra ny helok'ireo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Noho ny fisasaran’ny fanahiny dia hahita mazava Izy ka ho afa-po. Ny fahalalana Azy no hanamarinan’ny Mpanompoko marina ny olona maro, ary Izy no hivesatra ny helok’ireo.
malagasy
Noho ny fisasaran'ny fanahiny dia hahita izany Izy ka ho afa-po; Ny fahalalana Azy no hanamarinan'ny Mpanompoko marina ny olona maro, ary Izy no hivesatra ny helok'ireo. [Heb.fahalalany]Koa dia hanome Azy anjara amin'ny lehibe Aho, ary hizara babo amin'ny mahery Izy; Satria naidiny ho amin'ny fahafatesana ny ainy, Ary natao ho isan'ny mpanota Izy; Eny, Izy no nitondra ny fahotan'ny maro sady manao fifonana ho an'ny mpanota. [Na: dia homeko Azy ny lehibe ho anjarany sy ny mahery ho anjara-babony][Na: nanao]