Isaiah 53:12 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Noho izany dia hanome Azy anjara amin’ny maro Aho ary hizara babo amin’ny mahery Izy, satria naidiny ho amin’ny fahafatesana ny ainy, ary natao ho isan’ny mpanota Izy; eny, Izy no nitondra ny fahotan’ny maro sady nanao fifonana ho an’ny mpanota.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Noho izany homeko anjara eo amin’ny lehibe Izy, ary hiara-mizara babo amin’ny mahery; satria nanolotra ny ainy ho faty izy, sady natao ho isan’ny mpanao ratsy: ary ny Tenany no nitondra ny fahotan’ny maro, sady hanao fifonana ho an’ny mpanota.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Noho izany, dia homeko anjara lova eo amin’ny sehatry ny besinimaro izy ka olona alikisa no hataony babo, satria ny Mpanompoko efa nanolo-tena ho faty sy nanaiky hatao ho isan’ny mpanao ratsy; eny, izy no nitondra ny fahotan’ny besinimaro ary nanao fanelanelanana ho an’ny olo-meloka.»
Malagasy Bible 1865
Koa dia hanome Azy anjara amin'ny lehibe Aho, ary hizara babo amin'ny mahery Izy; Satria naidiny ho amin'ny fahafatesana ny ainy, Ary natao ho isan'ny mpanota Izy; Eny, Izy no nitondra ny fahotan'ny maro sady manao fifonana ho an'ny mpanota.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Noho izany dia hanome Azy anjara amin’ny maro Aho ary hizara babo amin’ny mahery Izy, satria naidiny ho amin’ny fahafatesana ny ainy, ary natao ho isan’ny mpanota Izy; eny, Izy no nitondra ny fahotan’ny maro sady nanao fifonana ho an’ny mpanota.
malagasy
Koa dia hanome Azy anjara amin'ny lehibe Aho, ary hizara babo amin'ny mahery Izy; Satria naidiny ho amin'ny fahafatesana ny ainy, Ary natao ho isan'ny mpanota Izy; Eny, Izy no nitondra ny fahotan'ny maro sady manao fifonana ho an'ny mpanota. [Na: dia homeko Azy ny lehibe ho anjarany sy ny mahery ho anjara-babony][Na: nanao]