Isaiah 53:2 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa naniry teo anatrehany tahaka ny zana-kazo madinika Izy, sy tahaka ny solofon-kazo amin’ny tany karankaina; tsy nanana endrika na hatsaran-tarehy Izy; ary raha nijery Azy isika dia tsy nisy hatsaran-tarehy haniriantsika Azy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa nisondrotra teo anatrehany Izy, tahaka ny hazo madinika marefo, tahaka ny solofon-kazo mitsiry amin’ny tany karankaina; tsy nanana endrika na hatsaran-tarehy nanaitra ny masontsika; na bika namelona ny fitiavantsika.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Naniry toy ny solofon-kazo madinika teo anatrehan’ny TOMPO ilay Mpanompony; naniry toy ny fakan-kazo mitrebona eo an-tany karakaina. Tsy nanana endrika na bika nanintona antsika izy, na koa hatsaran-tarehy haniriantsika azy.
Malagasy Bible 1865
Fa naniry teo anatrehany tahaka ny zana-kazo madinika Izy sy tahaka ny solofon-kazo amin'ny tany karankaina; tsy nanana endrika na fahatsaran-tarehy Izy; Ary raha nijery Azy isika, dia tsy nisy hatsaran-tarehy haniriantsika Azy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa naniry teo anatrehany tahaka ny zana-kazo madinika Izy, sy tahaka ny solofon-kazo amin’ny tany karankaina; tsy nanana endrika na hatsaran-tarehy Izy; ary raha nijery Azy isika dia tsy nisy hatsaran-tarehy haniriantsika Azy.
malagasy