Isaiah 53:3 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Natao tsinontsinona sy nolavin’ny olona Izy; lehilahy ory sady zatra fijaliana, tahaka izay tsy tian’ny olona hojerena akory Izy; natao tsinontsinona Izy ka tsy mba nahoantsika.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Noesorina sy nilaozan’ny olona Izy, olona ory sady zatra ny fijaliana; hoatra ny zavatra hisaronan’ny olona tava; natao faneso sy tsy nahoantsika velively.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Notsiratsiraina sy nolavin’ny olona izy; lehilahy tototry ny fahoriana sady ilomam-pijaliana tahaka izay tsy tian-kojerena akory. Eny, notsiratsiraina izy ka tsy mba nahoantsika.
Malagasy Bible 1865
Natao tsinontsinona sy nolavin'ny olona Izy; lehilahy ory sady zatra ny fahoriana, Ary tahaka izay tsy tian'ny olon-kojerena akory Izy; natao tsinontsinona Izy ka tsy mba nahoantsika.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Natao tsinontsinona sy nolavin’ny olona Izy; lehilahy ory sady zatra fijaliana, tahaka izay tsy tian’ny olona hojerena akory Izy; natao tsinontsinona Izy ka tsy mba nahoantsika.
malagasy
Natao tsinontsinona sy nolavin'ny olona Izy; lehilahy ory sady zatra ny fahoriana, Ary tahaka izay tsy tian'ny olon-kojerena akory Izy; natao tsinontsinona Izy ka tsy mba nahoantsika.[Heb. lehilahy be fanaintainana sady fantatry ny faharariana]