Isaiah 53:6 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Isika rehetra dia samy efa nania tahaka ny ondry, samy efa nivily ho amin’ny lalantsika avy isika rehetra; ary nataon’NY TOMPO nihatra Taminy avokoa ny helotsika rehetra.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Efa mpaniasia toy ny ondry avokoa isika, samy nanaraka ny lalany avy isika; ary nazeran’i Iaveh taminy avokoa ny helotsika rehetra.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Isika rehetra dia tahaka ny ondry nania, fa samy efa nandeha tamin’ny lalantsika avy; ka nahatran’ny TOMPO tamin’ilay Mpanompony avokoa ny vokatry ny fahadisoantsika rehetra.
Malagasy Bible 1865
Isika rehetra dia samy efa nania tahaka ny ondry, samy efa nivily ho amin'ny lalantsika avy isika rehetra; ary nataon'i Jehovah nihatra taminy avokoa ny helotsika rehetra.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Isika rehetra dia samy efa nania tahaka ny ondry, samy efa nivily ho amin’ny lalantsika avy isika rehetra; ary nataon’NY TOMPO nihatra Taminy avokoa ny helotsika rehetra.
malagasy
Isika rehetra dia samy efa nania tahaka ny ondry, samy efa nivily ho amin'ny lalantsika avy isika rehetra; ary nataon'i Jehovah nihatra taminy avokoa ny helotsika rehetra.