Isaiah 53:8 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ny fampahoriana sy ny fitsarana no nenti-nanaisotra Azy; ary iza tamin’izay niara-belona Taminy no nihevitra fa nofongorana niala tamin’ny tanin’ny velona Izy ka ny fahadisoan’ny oloko no nikapohana Azy?
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nesorina izy noho ny fampahoriana sy ny fitsaràna; ary iza moa tamin’ireo niara-belona taminy, no mba nihevitra, fa nofongorana eo amin’ny tanin’ny velona Izy, ary nozoin-doza noho ny fahotan’ny vahoakako?
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nosamborina izy, dia nohelohina mafy ary novonoina; ka, tamin’ireo mpiara-belona taminy, iza moa no mba nieritreritra ny nanjo azy. Fa nofongorana teo amin’ny tanin’ny velona izy; ary ny heloky ny mpiray firenena aminy no nikapohana azy ho faty?
Malagasy Bible 1865
Ny fampahoriana sy ny fitsarana no nenti-nanaisotra Azy; ary iza tamin'ny niara-belona taminy no nihevitra fa nofongorana niala tamin'ny tanin'ny velona Izy, ka ny fahadisoan'ny oloko no nikapohana Azy?
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ny fampahoriana sy ny fitsarana no nenti-nanaisotra Azy; ary iza tamin’izay niara-belona Taminy no nihevitra fa nofongorana niala tamin’ny tanin’ny velona Izy ka ny fahadisoan’ny oloko no nikapohana Azy?
malagasy
Ny fampahoriana sy ny fitsarana no nenti-nanaisotra Azy; ary iza tamin'ny niara-belona taminy no nihevitra fa nofongorana niala tamin'ny tanin'ny velona Izy, ka ny fahadisoan'ny oloko no nikapohana Azy? [Na: Nalaina niala tamin'ny fampahoriana sy ny fitsarana Izy][Na: Ary iza no nihevitra izay ho taranany?]