Isaiah 53:9 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Natao tao amin’ny olon-dratsy ny fasany, ary teo amin’ny mpanankarena ny toerana nandevenana Azy na dia tsy nanao ratsy aza Izy sady tsy nisy fitaka teo am-bavany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Natao iray fasana tamin’ny ratsy fanahy Izy; ary eo amin’ny mpanan-karena nony efa maty, nefa tsy mba nanao ny tsy marina, ary tsy mba nisy fitaka teo am-bavany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nokasaina hiray fasana amin’ny olon-dratsy izany Mpanompon’ny Tompo izany; kanefa teo anivon’ny mpanankarena no nandevenana azy, satria tsy nanao ratsy akory izy ary tsy nisy fitaka teo am-bavany.
Malagasy Bible 1865
Ary nokasaina hatao tao amin'ny olo-meloka ny fasany (Nefa teo amin'ny mpanankarena Izy, rehefa novonoina), na dia tsy nanao ratsy aza Izy, sady tsy nisy fitaka teo am-bavany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Natao tao amin’ny olon-dratsy ny fasany, ary teo amin’ny mpanankarena ny toerana nandevenana Azy na dia tsy nanao ratsy aza Izy sady tsy nisy fitaka teo am-bavany.
malagasy
Ary nokasaina hatao tao amin'ny olo-meloka ny fasany (Nefa teo amin'ny mpanankarena Izy, rehefa novonoina), na dia tsy nanao ratsy aza Izy, sady tsy nisy fitaka teo am-bavany. [Na: Sy ho eo amin'ny mpanankarena, rehefa novonoina Izy]