Isaiah 54:1 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Mihobia ianao, ry momba, izay tsy niteraka! Eny, velomy ny hoby ka manandrata feo, ianao izay tsy mba nihetsi-jaza! Fa ny zanaky ny mpitondratena dia maro noho ny zanaky ny manambady, hoy NY TOMPO.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Mihobia an-kafaliana, ry momba, izay tsy niteraka; mampisehoa hafaliana sy firavoravoana lehibe, ry tsy nihetsi-jaza; fa ny zanak’ilay nariana no maro, noho ny zanak’izay manam-bady, hoy i Iaveh.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Miravoravoa ianao, ry Jerosalema izay momba tsy niteraka; ianao izay tsy nihetsi-jaza akory, manaova horakora-pifaliana ka mihobia satria hoy ny TOMPO aminao: «Ry ilay mpitondratena, maro ny zanakao noho ny zanaky ny manam-bady.»
Malagasy Bible 1865
Mihobia, ry momba, ianao izay tsy niteraka, eny, velomy ny hoby, ka manandrata feo, ianao izay tsy mba nihetsi-jaza; fa ny zanaky ny mpitondra tena dia maro noho ny zanaky ny manambady, hoy Jehovah.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Mihobia ianao, ry momba, izay tsy niteraka! Eny, velomy ny hoby ka manandrata feo, ianao izay tsy mba nihetsi-jaza! Fa ny zanaky ny mpitondratena dia maro noho ny zanaky ny manambady, hoy NY TOMPO.
malagasy
[Ny hanitarana ny Fiangonana, sy ny voninahitra ho azony] Mihobia, ry momba, ianao izay tsy niteraka, eny, velomy ny hoby, ka manandrata feo, ianao izay tsy mba nihetsi-jaza; fa ny zanaky ny mpitondra tena dia maro noho ny zanaky ny manambady, hoy Jehovah.