Isaiah 54:14 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Amin’ny fahamarinana no hampiorenana anao; manalavira ny fampahoriana, fa tsy hatahotra ianao, ary ny fampihorohoroana tsy hanakaiky anao intsony.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Hatao miorina tsara amin’ny fahamarinana ianao; aoka ho lavitra anao anie ny fanahiana, fa tsy manan-katahorana ianao; ho lavitra anao anie ny fampahatahorana, fa tsy hanakaiky anao izany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Hitombina mafy amin’ny fahamarinana ianao: hampanalaviriko anao ny famoretana, ka tsy hatahotra na inona na inona intsony ianao; hampanalaviriko anao ny fampihorohoroana, ka tsy hananontanona anao intsony.
Malagasy Bible 1865
Amin'ny fahamarinana no hampiorenana anao; aza manahy ny fampahoriana, fa tsy hatahotra ianao, na ny fampahatahorana, fa tsy hanakaiky anao izany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Amin’ny fahamarinana no hampiorenana anao; manalavira ny fampahoriana, fa tsy hatahotra ianao, ary ny fampihorohoroana tsy hanakaiky anao intsony.
malagasy
Amin'ny fahamarinana no hampiorenana anao; aza manahy ny fampahoriana, fa tsy hatahotra ianao, na ny fampahatahorana, fa tsy hanakaiky anao izany. [Heb. Manalavira]