Isaiah 54:16 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Indro Izaho no nahary ny mpanefy izay mifofotra ny vainafon’arina ka mahavita fiadiana araka ny asany; Izaho koa no nahary ny mpandringana mba handringana azy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Indro fa Izaho no nahary ny mpanefy, izay mifofotra ny arina mivaivay, ka manatsoaka ny fiadiana hamboariny avy ao, ary Izaho no nahary ny mpandrava mba handringana.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Jereo fa Izaho ihany no nahary ny mpanefy izay mifofotra ny afon’arina ka mahavita fitaovam-piadiana hampiasaina amin’izay ilana azy; nefa Izaho ihany koa no nahary ny mpandrava izay hamotika izany fitaovam-piadiana izany.
Malagasy Bible 1865
Indro, Izaho no nahary ny mpanefy izay mifofotra ny afo amin'ny arina ka mahavita fiasana hanaovany ny asany; Ary Izaho koa no nahary ny mpandringana mba handringana.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Indro Izaho no nahary ny mpanefy izay mifofotra ny vainafon’arina ka mahavita fiadiana araka ny asany; Izaho koa no nahary ny mpandringana mba handringana azy.
malagasy
Indro, Izaho no nahary ny mpanefy izay mifofotra ny afo amin'ny arina ka mahavita fiasana hanaovany ny asany; Ary Izaho koa no nahary ny mpandringana mba handringana. [Na: fiadiana araka ny asany]Ny fiadiana rehetra izay voaforona hamelezana anao dia tsy hisy hambinina, ary ny lela rehetra izay miady aminao dia horesenao lahatra. Izany no lovan'ny mpanompon'i Jehovah sy fahamarinany avy amiko, hoy Jehovah.