Isaiah 54:17 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ny fiadiana rehetra izay voaforona hamelezana anao dia tsy hisy hambinina; ary ny lela rehetra izay miady aminao dia horesenao lahatra. Izany no lovan’ny mpanompon’NY TOMPO sy fahamarinany avy Amiko, hoy NY TOMPO.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ny fiadiana rehetra notefena hamelezana anao, tsy hisy asany, ary ny lela rehetra hisondrotra hifanohitra aminao, horesenao lahatra. - Izany no lovan’ny zanak’i Iaveh; izany no fahamarinana ho azony avy amiko. - Teny marin’i Iaveh. -
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ny fiadiana isan-karazany tefena hamelezana anao dia tsy hahomby mihitsy; ary ny olona rehetra izay miampanga anao eo anoloan’ny fitsarana dia horesenao lahatra. Izany no ho anjaran’ireo mpanompoko, ary izany no rariny hananany avy amiko.»
Malagasy Bible 1865
Ny fiadiana rehetra izay voaforona hamelezana anao dia tsy hisy hambinina, ary ny lela rehetra izay miady aminao dia horesenao lahatra. Izany no lovan'ny mpanompon'i Jehovah sy fahamarinany avy amiko, hoy Jehovah.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ny fiadiana rehetra izay voaforona hamelezana anao dia tsy hisy hambinina; ary ny lela rehetra izay miady aminao dia horesenao lahatra. Izany no lovan’ny mpanompon’NY TOMPO sy fahamarinany avy Amiko, hoy NY TOMPO.
malagasy