Isaiah 54:4 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Aza matahotra fa tsy hitsanga-menatra ianao; ary aza mangaihay fa tsy havela ho afa-baraka ianao; fa ho hadinonao ny henatry ny fahatanoranao ary tsy ho tsaroanao intsony ny tondro-masonao fony mpitondratena.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Aza matahotra, fa tsy ho menatra ianao; aza mangaihay, fa tsy hisy hahamenatra anao; fa hanadino ny henatry ny fahatanoranao ianao; ary tsy hahatsiaro intsony ny tondromaso, fony mpitondratena.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Aza matahotra satria tsy ho menatra intsony ianao; aza mivoara mena fa tsy ho afa-baràka intsony ianao; eny, hohadinonao ny henatra tamin’ny fahatanoranao, ary tsy hotsarovanao intsony ny fahafaham-baràka tamin’ny naha mpitondratena anao.
Malagasy Bible 1865
Aza matahotra, fa tsy ho menatra ianao; ary aza mangaihay, fa tsy havela ho afa-baraka ianao; fa ho hadinonao ny henatry ny fahatanoranao, ary tsy ho tsaroanao intsony ny tondromasonao fony mpitondratena.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Aza matahotra fa tsy hitsanga-menatra ianao; ary aza mangaihay fa tsy havela ho afa-baraka ianao; fa ho hadinonao ny henatry ny fahatanoranao ary tsy ho tsaroanao intsony ny tondro-masonao fony mpitondratena.
malagasy