Isaiah 55:1 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
E! Ianareo rehetra izay mangetaheta! Mankanesa amin’ny rano; ary ianareo izay tsy manam-bola, avia, mividiana ka homana; eny, avia, mividiana divay sy ronono, nefa tsy amim-bola na amin-karena!
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ianareo rehetra izay mangetaheta, mankanesa atỳ amin’ny rano, na dia ianareo tsy manam-bola aza; avia mividiana vary, ka mihinàna; avia hividy tsy amim-bola, na takalo, hividy divay sy ronono.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
He! Ianareo rehetra izay mangetaheta, mankanesa amin’ny rano omeko! Na dia tsy manam-bola aza ianareo, avia maka sakafo, dia mihinàna fa tsy ialam-bola izany; avia maka divay na ronono, fa tsy vidina izany.
Malagasy Bible 1865
He! ianareo rehetra izay mangetaheta, mankanesa amin'ny rano! Ary ianareo izay tsy manam-bola, avia, mividia, ka homàna! Eny, avia, mividia divay sy ronono, nefa tsy amim-bola, na amin-karena.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
E! Ianareo rehetra izay mangetaheta! Mankanesa amin’ny rano; ary ianareo izay tsy manam-bola, avia, mividiana ka homana; eny, avia, mividiana divay sy ronono, nefa tsy amim-bola na amin-karena!
malagasy
[Fiantsoana ny olona rehetra handray ny fahavoavan'Andriamanitra] He! ianareo rehetra izay mangetaheta, mankanesa amin'ny rano! Ary ianareo izay tsy manam-bola, avia, mividia, ka homàna! Eny, avia, mividia divay sy ronono, nefa tsy amim-bola, na amin-karena.