Isaiah 55:2 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nahoana ianareo no mandany vola amin’izay tsy hanina? Nahoana ianareo no misasatra amin’izay tsy mahavoky? Henoy tsara Aho, hano izay tsara, dia aoka hiravoravo amin’ny matavy ianareo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nahoana ianareo no mandany vola amin’izay tsy hanina; sy izay nisasaranareo, amin’izay tsy mahavoky? Koa mihainoa Ahy, ary mihinàna izay tsara; ary aoka ny fanahinareo hiravoravo amin’izay hanina fy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nahoana ianareo no mandany vola amin’izay sakafo tsy tena mahavoky? Nahoana ianareo no misahirana amin’ny zavatra tsy mahafa-po? Henoy tsara Aho, dia hihinan-javatra matsiro ianareo ary ho finaritra amin’ny sakafo mafilotra.
Malagasy Bible 1865
Nahoana ianareo no mandany vola amin'izay tsy hanina, ary ny vokatry ny fisasaranareo amin'izay tsy mahavoky? Mihainoa dia mihainoa Ahy, ka hano izay tsara, dia aoka hiravoravo amin'ny matavy ny fanahinareo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nahoana ianareo no mandany vola amin’izay tsy hanina? Nahoana ianareo no misasatra amin’izay tsy mahavoky? Henoy tsara Aho, hano izay tsara, dia aoka hiravoravo amin’ny matavy ianareo.
malagasy
Nahoana ianareo no mandany vola amin'izay tsy hanina, ary ny vokatry ny fisasaranareo amin'izay tsy mahavoky? Mihainoa dia mihainoa Ahy, ka hano izay tsara, dia aoka hiravoravo amin'ny matavy ny fanahinareo.[Na: mandanja]