Isaiah 55:5 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Indro firenena izay tsy fantatrao no hantsoinao ary firenena izay tsy nahalala Anao no hihazakazaka ho eo aminao noho ny amin’NY TOMPO Andriamanitrao, ny Iray Masin’ny Israely izay manome voninahitra anao.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Indro ianao hiantso ny firenena tsy fantatrao, ary ny firenena tsy nahalala anao, hidodododo eo aminao, noho ny amin’i Iaveh Andriamanitrao, sy ilay Masin’i Israely, satria nomeny voninahitra ianao.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary ianao koa, ry Israely, dia hiantso ny firenena hafa izay tsy fantatrao; ary firenen-kafa tsy mahalala anao akory no hirohotra hanatona anao, satria ny TOMPO Andriamanitrao, Ilay Masin’i Israely, no nanome anao izany voninahitra izany.
Malagasy Bible 1865
Indro, firenena izay tsy fantatrao no hantsoinao, ary firenena izay tsy nahalala Anao no hihazakazaka ho aminao noho ny amin'i Jehovah Andriamanitrao, sy ny Iray Masin'ny Isiraely, fa nomeny voninahitra Hianao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Indro firenena izay tsy fantatrao no hantsoinao ary firenena izay tsy nahalala Anao no hihazakazaka ho eo aminao noho ny amin’NY TOMPO Andriamanitrao, ny Iray Masin’ny Israely izay manome voninahitra anao.
malagasy