Isaiah 55:7 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Aoka hahafoy ny lalany ny ratsy fanahy, ary hahafoy ny heviny ny tsy marina; ary aoka hiverina ho amin’NY TOMPO ireny, fa hamindra fo aminy Izy; eny, ho amin’Andriamanitsika, fa hamela heloka dia hamela heloka tokoa Izy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
aoka ny ratsy fanahy hiala amin’ny lalany, ary ny meloka amin’ny heviny; ka hiverina amin’i Iaveh izy, dia hamindrany fo; dia amin’Andriamanitra fa mamela malalaka Izy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Aoka ny olon-dratsy handao ny fanaony, ary ny mpanao ratsy hahafoy ny heviny. Aoka hiverina amin’ny TOMPO ireny fa hamindra fo aminy Izy. Aoka hiverina amin’Andriamanitsika ireny fa hihoa-pampana ny famelan-keloka homeny azy.
Malagasy Bible 1865
Aoka ny ratsy fanahy hahafoy ny lalany, ary ny tsy marina hahafoy ny heviny; ary aoka hiverina ho amin'i Jehovah ireny, fa hamindra fo aminy Izy, Eny, ho amin'Andriamanitsika, fa hamela heloka dia hamela heloka tokoa Izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Aoka hahafoy ny lalany ny ratsy fanahy, ary hahafoy ny heviny ny tsy marina; ary aoka hiverina ho amin’NY TOMPO ireny, fa hamindra fo aminy Izy; eny, ho amin’Andriamanitsika, fa hamela heloka dia hamela heloka tokoa Izy.
malagasy