Isaiah 56:11 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Lian-kanina ireny amboa ireny ka tsy mahalala voky. Ireny dia mpiandry tsy mahafantatra na inona na inona. Samy efa nivily ho amin’ny lalany avy izy rehetra, samy mankany amin’ny tombontsoany avokoa izy rehetra.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Amboa lian-kanina, tsy mahalala voky. Mpiandry ondry izy ireo, tsy mety mahalala na inona na inona! Samy mandeha amin’ny lalany araka izay mahasoa ny tenany avy, hatramin’ny voalohany ka hatramin’ny farany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Alika tendan-kanina koa ireo ka tsy mahalala voky na oviana na oviana, nefa dia lazaina hoe mpiandry! Tsy mahay mandinika akory ireo fa samy manaraka ny lalany avy ary samy mikendry ny tombontsoany avy.
Malagasy Bible 1865
Lian-kanina ireny amboa ireny; ka tsy mahalala voky, sady mpiandry tsy mahafantatra ireny; samy efa nivily ho amin'ny lalany avy izy rehetra, samy mankamin'ny filàny harena avokoa izy rehetra.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Lian-kanina ireny amboa ireny ka tsy mahalala voky. Ireny dia mpiandry tsy mahafantatra na inona na inona. Samy efa nivily ho amin’ny lalany avy izy rehetra, samy mankany amin’ny tombontsoany avokoa izy rehetra.
malagasy
Lian-kanina ireny amboa ireny; ka tsy mahalala voky, sady mpiandry tsy mahafantatra ireny; samy efa nivily ho amin'ny lalany avy izy rehetra, samy mankamin'ny filàny harena avokoa izy rehetra.Avia, ianareo, hoy ireny fa haka divay aho, ary aoka hiboboka toaka isika; ary rahampitso dia ho tahaka ny anio ihany, eny, hanoatra lavitra aza