Isaiah 56:2 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Sambatra ny zanak’olombelona izay manao izany, ary ny zanak’olona izay mitana izany, dia izay mitandrina ny Sabata ka tsy manamavo azy sady miaro ny tanany tsy hanao izay ratsy akory.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Sambatra ny olona hanao izany, sy ny zanak’olombelona hifikitra mafy amin’izany, ka hitandrina ny sabata, tsy handika azy, sy hifehy ny tanany tsy hanao ratsy akory!
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Sambatra ny olona manatanteraka izay lazaiko sy mifikitra mafy amin’izany, ka mitandrina ny sabata fa tsy manimbazimba azy, ary mitandrina ny tanany tsy hanao ratsy.»
Malagasy Bible 1865
Sambatra ny zanak'olombelona izay manao izany, ary ny zanak'olona izay mitana izany, dia izay mitandrina ny Sabata ka tsy manao azy ho tsy masina sady miaro ny tanany tsy hanao izay ratsy akory.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Sambatra ny zanak’olombelona izay manao izany, ary ny zanak’olona izay mitana izany, dia izay mitandrina ny Sabata ka tsy manamavo azy sady miaro ny tanany tsy hanao izay ratsy akory.
malagasy
Sambatra ny zanak'olombelona izay manao izany, ary ny zanak'olona izay mitana izany, dia izay mitandrina ny Sabata ka tsy manao azy ho tsy masina sady miaro ny tanany tsy hanao izay ratsy akory.