Isaiah 56:3 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Aoka ny hafa firenena izay efa manaiky ho an’NY TOMPO tsy hiteny hoe: Hesorin’NY TOMPO tsy ho isan’ny olony tokoa aho; ary aoka ny ionòka tsy hiteny hoe: Indro, hazo maina aho!
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Aoka ny hafa firenena efa nifikitra tamin’i Iaveh tsy hanao hoe: «Hoesorin’i Iaveh marina aho, tsy ho isam-bahoakany,» ary aoka ny eonòka tsy hanao hoe: «Indro hazo maina aho!»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Aoka ny hafa firenena efa miraiki-po amin’ny TOMPO tsy hanao anakampo hoe: «Hoesorin’ny TOMPO tokoa aho tsy ho anisan’ny vahoakany.» Ary aoka ny eonòka tsy hanao anakampo hoe: «Indro efa hazo maina aho.»
Malagasy Bible 1865
Ary aoka ny hafa firenena izay efa manaiky ho an'i Jehovah tsy hanao hoe: Hesorin'i Jehovah tsy ho isan'ny olony tokoa aho; Ary aoka ny ionoka tsy hanao hoe: Indro, hazo maina aho.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Aoka ny hafa firenena izay efa manaiky ho an’NY TOMPO tsy hiteny hoe: Hesorin’NY TOMPO tsy ho isan’ny olony tokoa aho; ary aoka ny ionòka* tsy hiteny hoe: Indro, hazo maina aho!
malagasy
Ary aoka ny hafa firenena izay efa manaiky ho an'i Jehovah tsy hanao hoe: Hesorin'i Jehovah tsy ho isan'ny olony tokoa aho; Ary aoka ny ionoka tsy hanao hoe: Indro, hazo maina aho.