Isaiah 56:6 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary ny hafa firenena izay manaiky ho an’NY TOMPO mba hanompo Azy sy ho tia ny anaran’NY TOMPO mba ho mpanompony, dia izay rehetra mitandrina ny Sabata ka tsy manamavo azy sady mitana ny fanekeko,
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary ny hafa firenena izay mifikitra amin’i Iaveh mba hanompo Azy sy ho tia ny Anarany, ary ho mpanompony, izay rehetra mitandrina ny sabata fa tsy mandika azy, sy miraikitra mafy amin’ny fanekeko,
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ho an’ny hafa firenena miraiki-po amin’ny TOMPO mba hanao fanompoam-pivavahana aminy sady tia Azy ary tonga mpanompony dia izao no teny hentitra ataon’ny TOMPO aminy: «Raha mitandrina ny sabata izy ka tsy manimbazimba azy sy mifikitra mafy amin’ny fanekempihavanako,
Malagasy Bible 1865
Ary ny hafa firenena izay efa manaiky ho an'i Jehovah mba hanompo Azy sy ho tia ny anaran'i Jehovah mba ho mpanompony dia izay rehetra mitandrina ny Sabata ka tsy manao azy ho tsy masina sady mitana ny fanekeko
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary ny hafa firenena izay manaiky ho an’NY TOMPO mba hanompo Azy sy ho tia ny anaran’NY TOMPO mba ho mpanompony, dia izay rehetra mitandrina ny Sabata ka tsy manamavo azy sady mitana ny fanekeko,
malagasy