Isaiah 56:8 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra izay mamory ny Israely voaroaka: Mbola hamory ny sasany ho eo aminy koa Aho, hanampy izay efa voavory ao.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
- teny marin’i Iaveh Tompo - izay mamory ny lasan-ko babo amin’i Israely! Mbola hamory ny sasany koa Aho ho eo aminy, hanampy ireo efa voavory sahady.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Izaho Tompo ANDRIANANAHARY, Ilay nanangona ny vahoaka Israely tafaely, dia mbola manao teny hentitra hoe: ‹Efa nanangona Aho, nefa mbola hanangona hafa koa›. »
Malagasy Bible 1865
Izao no lazain'i Jehovah Tompo, Izay mamory ny Isiraely voaroaka: Mbola hamory ny sasany koa ho eo aminy Aho, hanampy izay efa voavory eo aminy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra izay mamory ny Israely voaroaka: Mbola hamory ny sasany ho eo aminy koa Aho, hanampy izay efa voavory ao.
malagasy
Izao no lazain'i Jehovah Tompo, Izay mamory ny Isiraely voaroaka: Mbola hamory ny sasany koa ho eo aminy Aho, hanampy izay efa voavory eo aminy.