Isaiah 57:1 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Maty ny marina nefa tsy misy misaina izany; alevina ny olona tsara fanahy nefa tsy misy mihevitra, fa ny marina dia alaina tsy ho azon’ny loza hanjo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Lasa tsy hita intsony ny marina nefa tsy misy misaina ao am-pony; alaina ny olona tia vavaka, nefa tsy misy mihevitra akory fa noesorina ho afaka amin’ny loza ny marina,
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Levona ny olo-marina nefa tsy misy miraharaha izany; alaina an-keriny ny olom-banona nefa tsy misy miraika amin’izany. Eny, ny famelezan’ny mpisompatra no akàna an-keriny ny olo-marina.
Malagasy Bible 1865
Maty ny marina, nefa tsy misy misaina izany, ary alaina ny olona tsara fanahy, nefa tsy misy mihevitra fa ny marina dia alaina tsy ho azon'ny loza hanjo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Maty ny marina nefa tsy misy misaina izany; alevina ny olona tsara fanahy nefa tsy misy mihevitra, fa ny marina dia alaina tsy ho azon’ny loza hanjo.
malagasy
Maty ny marina, nefa tsy misy misaina izany, ary alaina ny olona tsara fanahy, nefa tsy misy mihevitra fa ny marina dia alaina tsy ho azon'ny loza hanjo. [Na: noho ny ratsy]