Isaiah 57:13 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Raha mitaraina ianao dia aoka ireo sampinao no hamonjy anao, nefa hopaohin’ny rivotra avokoa ireo ary ho lasan’ny tsio-drivotra malemilemy aza. Fa izay mialoka Amiko kosa no hanana ny tany sy handova ny tendrombohitro masina.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Rehefa hitaraina ianao, aoka hamonjy anao ireo antontan’andriamanitrao! Hopaohin’ny rivotra avokoa ireo, hindaosin’ny tsotso-drivotra! Fa izay matoky Ahy no handova ny tany, sy ho tompon’ny tendrombohitra masina.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Rehefa miantso vonjy ianao, dia aoka ireo sampinao no hamonjy anao, dia ireo sampy maro voaangonao. Kanefa hopaohin’ny rivotra ireny; tsio-drivotra mihelina dia hahalasa azy! Fa izay mialoka amiko kosa no hanana ny tany sy handova ny tendrombohitro masina.
Malagasy Bible 1865
Raha mitaraina ianao, dia aoka ireo maronao no hamonjy anao, nefa hongahan'ny rivotra avokoa ireo sy ho lasan'ny tso-drivotra malemilemy aza; Fa izay mialoka amiko kosa no hanana ny tany sy handova ny tendrombohitro masina.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Raha mitaraina ianao dia aoka ireo sampinao no hamonjy anao, nefa hopaohin’ny rivotra avokoa ireo ary ho lasan’ny tsio-drivotra malemilemy aza. Fa izay mialoka Amiko kosa no hanana ny tany sy handova ny tendrombohitro masina.
malagasy