Isaiah 57:17 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ny helony noho ny fitiavany harena no nahatezitra Ahy ka namelezako azy; fa niery Aho satria tezitra, nefa nikomy izy ka mbola nandroso tamin’ny lalana tian’ny fony ihany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Noho ny fitsiriritany mahameloka, nitezitra Aho ary namely azy noho ny fahatezerako, nefa miery tsy ho hita Aho; ary izy kosa maditra, nanaraka ny lalan’ny sitrapony!...
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ny fahadisoan’ny vahoakako no nahatezitra Ahy vetivety. Noho Izaho tezitra no nikapohako azy sady tsy netezako hijery azy. Nefa nikomy hatrany izy ka nanaraka ny ditran’ny fony,
Malagasy Bible 1865
Ny helony noho ny fieremany no nahatezitra Ahy ka namelezako azy; fa niery Aho, satria tezitra, nefa niodina izy ka mbola nandroso tamin'ny lalana tian'ny fony ihany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ny helony noho ny fitiavany harena no nahatezitra Ahy ka namelezako azy; fa niery Aho satria tezitra, nefa nikomy izy ka mbola nandroso tamin’ny lalana tian’ny fony ihany.
malagasy
Ny helony noho ny fieremany no nahatezitra Ahy ka namelezako azy; fa niery Aho, satria tezitra, nefa niodina izy ka mbola nandroso tamin'ny lalana tian'ny fony ihany.