Isaiah 57:5 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia ianareo izay mahamaimay ny fonareo eo amin’ny sampy eny ambanin’ny hazo maitso rehetra ka mamono zaza eny an-dohasahan-driaka eny ambanin’ny tsefatsefaky ny harambato.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Mirehidrehitra ianareo eo ambanin’ny terebinta, sy eny ambanin’izao hazo maitso rehetra izao! Mamono zaza eny an-dohasaha, ambanin’ny tsefatsefa-karambato!
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Maimay erỳ ianareo teny akaikin’ny hazo terebinta sy ny hazo rehetra matevin-dravina. Nanao sorona zaza ianareo teny amoron’ny lohasahan-driaka sy teny an-tsefatsefaky ny harambato.
Malagasy Bible 1865
Dia ianareo izay mahamaimay ny fonareo amin'ny hazo terebinta eny ambanin'ny hazo maitso rehetra, ka mamono zaza eny an-dohasahan-driaka eny ambanin'ny tsefatsefaky ny harambato.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia ianareo izay mahamaimay ny fonareo eo amin’ny sampy eny ambanin’ny hazo maitso rehetra ka mamono zaza eny an-dohasahan-driaka eny ambanin’ny tsefatsefaky ny harambato.
malagasy
Dia ianareo izay mahamaimay ny fonareo amin'ny hazo terebinta eny ambanin'ny hazo maitso rehetra, ka mamono zaza eny an-dohasahan-driaka eny ambanin'ny tsefatsefaky ny harambato. [Na: amin'ny sampy]